Teren-ko masaka !
Mikoropaka tampoka ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona. Adino tanteraka ny zava-drehetra izay nolazaina fa laharam-pahamehana fa lasa mitodika any amin’ny fikarakarana fifidianana loholona ny asan’ny governemanta sy ny fitondrana iray manontolo. Nohetsehina ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana mba hamoaka toromarika fa noho ny hamehana dia tsy maintsy vitaina mialohan’ny faran’ny taona ny fametrahana ny Antenimieran-doholona. Nolazaina fa maika sy tsy azo ihodivirana izany satria voalazan’ny Lalàmpanorenana fa tsy maintsy tafapetraka ao anatin’ny 24 volana aorian’ny nijoroan’ny fitondrana ny andrim-panjakana rehetra. Izany hoe efa tena mitady ho tara ny fananganana ny Antenimieran-doholona. Toy izany, ihany koa, ny sehatra avo momba ny fitsarana (HCJ) sy ny filan-kevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny zon’olombelona (HCDD). Ireto farany dia lazaina tsy afaka atsangana raha tsy voafidy ny loholona.
Ny fitavozavozan’ny mpitondra ankehitriny ihany anefa no nahatonga izany fahatarana rehetra izany.Raha ny nampanantenaina hatrany am-boalohany dia ho vita mialohan’ny taona 2014 ny fifidianana ben’ny tanàna. Herin-taona aty aoriana vao tontosa izany noho ny kajikajy politika tsy mazava nataon’ny antokon’ny mpitondra. Mbola nanangana ny HVM ny olon’ny fitondrana ary nametraka ny rafitr’ity antoko ity manerana ny Nosy. Teo indray vao nitady kandida harotsaka amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly. Niara-dalàna tamin’izany dia mbola namolavola karazana lalàna sy fepetra maro samihafa ahafahan’ny kandidan’ny HVM mahazo ny maro an’isa, ihany koa, ny fitondrana. Niaraha-nahita ny fikasana hanova ny sata mifehy ny tananan’Antananarivo renivohitra izay nandaniana fotoana sy volabe nefa tsy tontosa hatramin’ny farany. Tena nilalao sy nandany andro ny mpitondra mba hanemorana hatrany ny fififidanana teny anivon’ny kaominina hampandresena ny antoko HVM. Nony injay raikitra tokoa ilay fifidianana dia zavon-tany ny tsy fahalavorariana ka nanosika ny kandidam-panjakana hahazo mora ny maro an’isa. Izao indray dia atao an-kamehana ny fifidianana Loholona satria izao no mety amin’ny antokon’ny fitondrana. Rehefa nahazo ny maro an’isa tamin’ny mpifidy lehibe ny HVM dia mihazakazaka ny hametraka ny Antenimieran-doholona amin’izay satria mahazo antoka fa hahazo ny maro an’isa, ihany koa, amin’io andrim-panjakana iray io.
Atao fafi-katrana ny volam-panjakana ary hatramin’ireo solombavambahoaka no tarihina hiray tsikombakomba amin’izany. Tampotampoka eo dia misy fiantsoana, fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka volavolan-dalàna tsy iankinan’ny fiainam-bahoaka akory dia ny fananganana ny vaomiera mahaleo tena hisahana ny fifidianana (CENI) no haroso eny. Raha ny tokony ho izy dia niandry tapa-bolana amin’ny fanombohan’ny fivoriana ara-potoana faharoa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Fanjakana raha te handroso volavolan-dalàna. Fara-faharatsiny dia ny volavolan-tetibolam-panjakana 2015 nasiam-panitsiana no tokony ho natolotra teny anivon’ny lapan’i Tsimbazaza fa tsy izany fananganana ny CENI izany.
Nanaitra ny maro ihany koa afak’omaly ny fihaonana teo amin’ny praiminisitra sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izay natao teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Raha ny tokony ho izy dia fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ity fihaonana ity satria midika ho fifampiresahana mialoha sy fifanarahana mba handaniana izay volavolan-dalàna izay aroso eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ity andrim-panjakana ity anefa toa natao hanara-maso ny asan’ny governemanta, izany hoe tokony hahaleo tena tanteraka ary ho sahy hitsikera sy handà izay lalàna atolotry ny fahefana mpanatanteraka raha toa ka tsy mahasoa ny fiainam-bahoaka izany. Hatreto aloha dia ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana no tena maika ho an’ny vahoaka fa tsy ny fananganana izany CENI tsy hinanan-kanina izany. Teren-ko masaka toa voalobo-jaza fotsiny ny raharaham-pirenena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







