Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Miarinarivo – Tovolahy iray maty voatifitry ny miaramila

Tovolahy iray 21 taona no maty voatifitry ny miaramilan’ny Das, tao amin’ny fokontany Mahamanina, kaominina Anosibe Ilanja, distrikan’i Miarinarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny lalao ara-panatanjahan-tena tao an-toerana no nitrangan’izany, izay nisy ny miaramila natao nandrindra ny filaminana. Nandritra ny lalao anefa dia nisy savorovoro tampoka, noho ny tsy fitovian-kevitra, teo amin’ireo mpanotrona.

Mba hanaparitahana ireo niady  dia nanao tifi-danitra in-telo ny mpitandro filaminana fa izy indray avy eo no nitangoronan’ireo olona. Nisy tamin’ireto farany no nikasa haka an-keriny ny basy teny aminy.  Teo indrindra no lasa tsy nahy ny tifitra ka nahavoa ilay ankizilahy. Nifamonjena nentina teny amin’ny hopitaly tao an-toerana ihany ilay tovolahy fa noho ny ratra nahazo azy dia namoy ny ainy ity farany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre