Ampefiloha – Voasambotra teo am-pisotroana toaka ilay mpanendaka
Taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana an’ilay mpanendaka iray 33 taona, teny Ampefiloha, ny alatsinainy teo, dia sarona teo am-pikasana hanendaka vehivavy ilay jiolahy. Nosamborina avy hatrany io olon-dratsy io ary nentina natao famotorana.
Araka ny vaovao voaray, efa nanendaka vehivavy iray hafa izy ny sabotsy hariva teo ka nampandre ny polisy ilay lasibatra. Natao ny fikarohana azy ka teny Ampefiloha ampitan’ny « complexe », tao anaty trano fisotroana toaka, izy no hitan’ilay ramatoa voaendaka izay niantso polisy avy hatrany. Noraisim-
potsiny ilay « mpisam » ary niaiky ny halatra nataony rehefa nampifanatrehina tamin’ilay olona nendahiny.
Toerana iray efa malaza fanaovan’ny mpanao sinto-mahery ny asa ratsiny ny eny Isotry mihazo ny làlana Ampatsakana iny. Raha ny vaovao voaray hatrany, ireo vehivavy mandeha irery no tena ataon’izy ireo lasibatra ary in-telo isan-kerinandro izany no miseho. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







