Fiahiana ara-tsosialy – Marisika amin’ny latsakemboka ny mpiasa
Resy lahatra ny rehetra amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa tsy ho very zo iankinan’ny ho avy hitsinjovana ny fisotroan-dronono. « Anio mikarakara, ampitso mananjara ». Io no nivoitra omaly tao Toliara nandritra ny androm-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy, ny 29 septambra. Nosantarina tamin’ny valan-dresaka narahina ady hevitra ny hetsika, avy eo notohizana tamin’ny varavarana misokatra ho an’ny besinimaro (fanentanana, famaliana fanontaniana, fandraisana fanakianana entina hanatsarana ny lesoka hahazoam-bokatra tsaratsara kokoa) nivoitra ny tontolo andron’ny omaly, tao amin’ny biraon’ny CNàPS Toliara, ka lohahevitra ny hoe : « Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra ary marina andraikitry ny rehetra ». « Zo fototry ny mpiasa ny fiahiana ara-tsosialy lavitry ny fiangarana mitaky fandraisan’andraikitry ny rehetra. Noho ny fisian’ny fanentanana sy ny fisafoana isan’andro ataonay dia marisika ny mpampiasa aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana mampiditra ny mpiasany mikambana ao amin’ny CNaPS ary mandrotsaka ireo latsakemboka. Tafakatra 16 600 ny mpikambana ankehitriny (1 600 mpampiasa), raha 11 994 ny taona 2014 », hoy ny talem-paritry ny CNaPS Atsimo Andrefana, Ramahavita Gabriel, nitafa tamin’ny mpanao gazety. Marihina fa Antsirabe no nisantatra tamin’ity taona ity ny ivon’ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy ny androm-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy teto Madagasikara.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







