Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Mpatory an-tsena saika voaolana – Ny vadiny niaro azy indray no nodarohan’ireo olon-dratsy

Tovolahy 22 taona mpatory amoron-dalana no naratra mafy teo amin’ny lohany ny alatsinainy hifoha alahady teo, teny amin’ny Esplanade Analakely, raha niaro ny vadiny tsy ho voaolana. Lehilahy miisa roa tsy fanta-pihaviana no fantatra fa tonga nanakorontana azy mivady ireo. Nikasa hanolana ilay tovovavy ireo roalahy ireo. Niaro ny vadiny ilay tsy manan-kialofana ka raikitra ny fifandonana nefa sendra ny be noho vitsy izy ka tsy naharesy ireo mpanafika ary naratra mafy sy voakapoka tamin’ny vato.

Voa teo amin’ny lohany ilay lehilahy ka naratra be sady mbola torana tsy nahatsiaro tena ihany koa. Nihevitra azy ho maty ireo namono ka vaky nandositra raha tsy nahazo izay notadiaviny. Taorian’ny fiantsona vonjy nataon’ilay tovovavy dia nentina teny amin’ny hopitaly Hjra ilay lasibatra mba hahazo fitsaboana sahaza azy. Efa tafaverina kosa ny ainy rehefa nahazo fitsaboana ary tsy misy ahiana ny fahasalamany.

L. N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre