Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Rano misy lolo – Nitelina zaza 12 volana

Hatairana ny an’ny renin’ilay zaza tsy nahita tampoka ny zanany, raha iny mbola variana nanasa lamba teo amoron-drano iny izy. Vetivety teo mantsy dia tsy hita izay nanjavonan’ilay zazalahikely 12 volana monja, tany amin’ny renirano iray ao amin’ny kaominina Androranga, distrikan’i Antalaha, ny alahady maraina tamin’ny 10 ora lasa teo. Ahiana ho nandady io zaza io ka tafaroboka tany anaty rano nefa tsy hitan’ny reniny akory.

Niantso vonjy avy hatrany ilay vehivavy ka nanao ny fikarohana ireo vatan-dehilahy teo an-toerana. Hatramin’izao fotoana nanoratana ity vaovao ity anefa dia mbola tsy hita ihany ilay zazakely. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana, tsy sambany no misy zaza maty an-drano amin’io renirano io ary raha tsikaritry ny olona fa saika zazalahy foana no atelin’io rano io.  Malaza ihany koa ho misy lolorano io renirano io izay manafina ireo zaza ireo. Matetika, telo andro aty aoriana vao hita, ary misy tsy hita intsony mihitsy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Na izany na tsy izany dia tsy mahasakana ireo mponina tsy hilomano amin’izany renirano izany, eo koa ireo manasa lamba.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre