Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mahita ho tenenina foana !

Tsy hifarana tanteraka ny delestazy raha tsy any amin’ny volana novambra any ho any, izany hoe amin’ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny orana. Io no fanazavana ara-tekinika nentin’ny avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA, mahakasika ny fahatapahan-jiro lavareny sy maharitra be eto amintsika. Lasa fihomehezana sisa no nandraisan’ny olona izany satria mahita ho lazaina foana ireo mpiasa sy mpitantana eo anivon’ity orinasam-panjakana manao ampihimamba ny famatsiana jiro sy rano eto Madagasikara ity. Lazaina fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hain-tany isika izao ka tsy maharaka ny tosika manodina ireo milina mpamokatra herinaratra. Rehefa avy ny orana ka betsaka ny rano vao ampy manosika tsara ireo milina. Nony injay anefa tonga ny vanim-potoanan’ny fahavaratra dia lazaina indray fa nilatsahan’ny varatra ny fitaovana ka simba. Rehefa amin’ny fotoanan’ny rivo-doza ihany koa dia lazaina fa be loatra ny rano ka feno fako lasa any anaty milina.

Ampolo taonany maro no niasan’ny JIRAMA teto Madagasikara fa tsy mety mahita vahaolana amin’ireo tranga miverina isan-taona ireo mihitsy ry zareo ao. Ho an’ny olon-tsotra izay tsy te hahalala izany olana ara-tekinika izany, satria mandoa faktiora ara-dalàna, dia ny mpiasan’ny JIRAMA mihitsy no tsy aninona tsy aninona ka mila soloina ny ankamaroany. Misy ampahany marina ihany ny an’ny fitondram-panjakana izay nanankina ny ampahany amin’ny fitantanana ireo gropy mpanodina herinaratra ho an’ny orinasa tsy miankina.

Rehefa tsy hanao sady tsy mahavita ny mpiasan’ny JIRAMA dia aleo ho an’ny tsy miankina. Na lafo aza ny vidin-jiro mety mba ho tsara kokoa ny tolotra ary tsy misy ny fahatapatapahana. Mpanao z’inona ny vahoaka ary tsy azo hifanazavana loatra ireo mpiasan’ny JIRAMA hatramin’izay ka izany no mahatonga izao tsy fihetezana eo anivon’ny orinasa izao. Tsy misy fifanajana fa rehefa te hanapaka dia manapaka araka izay sitrapony. Ny faktiora anefa tsy mitsaha-misondrotra izay tsy fantatra mazava ny fomba nanaovana azy fa dia voatery mandoa izay takiana fotsiny ny mpanjifa.

Tena fotoana izao hitondrana fanavaozana goavana eo anivon’ity orinasam-panjakana ity fa mitady ho lomorina sy simba tanteraka ny fomba fiasa ao. Firifiry no efa tratra ny tsy maintsy nandoa vola amboniny vao tonga manao ny asa fanamboarana tandrify azy ny mpiasan’ny JIRAMA. Misy olona efa an-taonany maro nanao famandrihana sy nandoa vola hampiditra jiro sy rano nefa miandry fotsiny. Misy anefa trano vao manomboka atsangana ao anatin’ny iray na roa volana efa mahatafiditra jiro sahady. Dia mbola hisy sahy hilaza ihany eo anivon’ny mpiasan’ny JIRAMA fa tsy misy ny kolikoly. Izany fomba fiasa izany ihany anefa no manimba ity orinasa ity.

Tia tena loatra ireo mpiasa ary mihevitra mihitsy fa azy ny orinasa ka ataony amin’izay tiany atao. An’ny Fanjakana ny JIRAMA, izany hoe an’ny vahoaka fa tsy an’ny mpiasa ao. Ireto farany dia mikarama toy ny rehetra ka tokony hanompo ny vahoaka fa tsy hihevi-tena ho andriamanjaka ka hanao izay danin’ny kibony fotsiny.

Niaraha-nahita ireny ny fitokonana lavareny izay tena nanaovana fihetsiketsehana be hatramin’ny fikasana hanapaka ny jiron’ny minisitera ireny. Nanizingizina ny tsy hanaiky ary tsy hiverina amin’ny asany ireo mpiasa raha tsy foanana ilay fifanarahana nataon’ny Fanjakana sy ilay orinasa tsy miankina. Tsy nahazo vokatra mahafa-po akory anefa dia niverina niasa indray izy rehetra. Ny vahoaka sy ny fiainam-bahoaka fotsiny no natao sorona fa fitiavan-tena sy hafetsifetsena no betsaka.

Efa ela ny vahoaka no tofoka amin’ny tolotra omen’ny JIRAMA saingy izao vao tena maro no sahy miteny. Mila fanadiovana goavana eo anivon’ity orinasa ity raha tsy izany dia ho potika tanteraka sy ho lasan’ny sehatra tsy mainkina. Ireo mpiasa tsy alehany ao mantsy mandalo ihany fa ny orinasa mitoetra ho an’ny taranaka mandimby.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre