Besalampy – Sarona ilay tovolahy nahafaty ny namany
Tratra ny polisy omaly tany amin’ny distrikan’i Soalala ilay tovolahy 20 taona namono nahafaty tovolahy namany 30 taona, tany Tsinjorano Besalampy. Ny herinandro lasa iny no nitrangan’ny famonoana raha ny vaovao voaray ary resaka lonilony no nahatonga ny loza. Nifamaly ireto roalahy ireto, ny tendrom-po moa tsy mba namana ka nitarika ilay iray ho nikasy tanana . Nandositra niala ny tanàna kosa ity farany raha vao hitany fa maty ilay nifandrina taminy. Nampandre ny polisy sady nametraka fitoriana an’ilay nahavanon-doza ny havan’ny maty ka nisy ny fikarohana natao. Tsy niherina kosa anefa ny andro dia tratra ilay tovolahy. Nahatratrarana ody gasy maro be teny aminy nandritra ny fisamborana azy, araka ny vaovao voaray hatrany. Niaiky ny heloka vitany ilay tovolahy nandritra ny famotorana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







