Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fanatsarana ny kalitaon’ny tantely – Hahazo fiofanana ireo mpiompy

Taorian’ny fandrafetana ny drafi-panarenana ny rojom-pihariana fandrama na tantely any Boeny dia miditra amin’ny fitsidihina ifotony tsirairay ireo Vovonam-piompiana fandrama na “Pôle de production miel” miisa telo ao anatin’ny Faritra Boeny, ny distrikan’Ambato Boeny, Mahajanga II ary Mitsinjo. Ny tanjon’ny fitsidihana dia ny ahafahana mamantatra ny zava-bitan’ireo niditra ho mpiompy fandrama, mijery ny lesoka sy ny vahaolana ary ny fanatsarana mba hitohizan’ny fiompiana ho maharitra.

Ny faran’ity volana septambra ity sy mandritra ny oktobra 2015 no hanatanterahana ny fitsidihina ifotony, izay efa natomboka tao Mitsinjo ny 23 hatramin’ny 25 septambra teo,  tao Andranomavokely, Andranomangily ary Begila,  izay notarihin’ny lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny ara-toekarenan’ny Faritra Boeny, Bevelo Christian sy ireo solontenan’ny Vovona fandrama Boeny.

Fandaharan’asa iarahana amin’ny alemaina PAGE (Programme d’appui à la gestion environnementale)- Giz, izay manohana ara-teknika sy ara-bola azy ireo. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Faritra Boeny amin’ny any ivelany ho fanatsarana ny fampidiram-bolan’ny tantsaha sy ho famokarana  “Fandrama Boeny tsara kalitao.”

Ny vina dia ny ampitombo ny rogo na tohon-tantely maoderina miisa 1 000 alohan’ny taona 2016. Ny tanjona, ny hahazoana mamokatra fandrama Boeny tsara kalitao. Ny paik’ady hahatratrarana izany hoy ny tompon’andraikitra dia ny fanomezana fiofanana maharitra ireo mpiompy amin’ny fanamboarana ireo rogo maoderina ireo sy fiofanana ho fahaiza-mitantana ny andian-tantely.

Nangonin’i L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre