Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Famonoana relijiozy – Migadra mandra-pahafaty ireo nahavanon-doza

Rehefa notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny taona 2013 ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana an’ilay relijiozy mpanao asa soa, masera Marie-Emmanuelle Helesbeux tany Mandritsara, omaly tamin’ny 11ora kosa no natao ny fitsarana azy ireo tany an-toerana ihany. Taoriana ny fihenoan’ny mpitsara azy telo lahy tsirairay avy dia  voasazy higadra mandra-pahafaty izy ireo.

Nalaza naneran-tany ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ity relijiozy, 82 taona, tamin’ny voalohan’ny volana martsa, taona 2013, noho ny resaka trosa. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nampindrana vola ny mpiambina azy teo aloha, mitentina 700 euros io masera io. Ny zoma voalohany volana martsa, nisy ny fifamiliana tamin’izy roa tonta ka nasain’ilay masera naloa ny antsasaky ny vola. Ny alin’io ihany dia niverenan’ ilay mpiambina   niaraka tamin’ny namany roa hafa ilay masera ary naka an-keriny azy. Hatairana ny an’ireo olona nandalo ny maraina sabotsy 2 martsa raha nahita ny fatin’ilay relijiozy tao an-tsenan’ny omby. Rehefa natao ny fizahana, fantatra fa maty nokendaina ity masera ity sady mbola nokapohana tamin’ny vato ihany koa ny tarehany.

Nisy mihitsy aza, tamin’io fotoana io, ny fikasanan’ireo tanora tao an-toerana hanao fitsaram-bahoaka an’ireo nahavanon-doza ireo, izay nahafatesana olona miisa 2 ary valo hafa naratra mafy. Nanapa-kevitra hiditra an-keriny tao am-ponja ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’izany ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana raha tsy nahasakana an’ireto farany ny  tifi-danitra sy ny baomba mandatsa-dranomaso nataon’ireo zandary.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre