Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Lehilahy nanolana zaza 2 taona – Maty nodoran’ny olona

Efa mivadika biby ara-bakiteny mihitsy ankehitriny ny olona sasany, tsy matahotra izay atahorana intsony, vokatry ny filana diso tafahoatra ka ny zaza tsy manan-tsiny ery no hanamparana ny habibiana. Tovolahy iray no tratra nanolana zazavavy kely 2 taona, ny harivan’ny talata 29 septambra, tamin’ny 7 ora, teny amin’ny sampanana Ambodisaina, amin’ny tanana iray antsoina hoe Tetazampao, ao ambanivohitry ny Toamasina. Ny ray aman-drenin’ilay zaza mihitsy no fantatra fa nahatratra ity tovolahy ity izay nanapatra  ny filan-dratsiny tamin’ilay voatavo tsy mifandraka. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ny fianakavian’ilay zazakely ; romotra ny manodidina taorian’izay raha vao nahare ny tantara ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy.

Teo ireo namely totohondry sy nikapoka azy tamin’ny hazo be. Nisy ihany koa ireo nikapa azy tamin’ny famaky sy nidaroka. Ary tsy vitan’izany fa mbola nodoran’ireo fokonolona velona ilay tovolahy. Tsy nisy nikarakara ilay faty avy eo fa navelan’ny olona teo, hany ka, nosaritin’ny alika eran’ny tanàna. Ilay zaza kosa marary mafy eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao ary ahiana fatratra ny toe-pahasalamany. Simba tanteraka mantsy ny ao anatiny ao, araka ny fanambaran’ny mpitsabo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre