ISAN-TAONA TOBY LEHIBE SOATÀNANA : Ny finoana no notsindriana
Miandrandra ny tsingerin-taona faha-125 ny Tobilehibe Soatànana afaka efa-taona. Nampiavaka ny isantaona septambra 2015 ny fanindriana ny finoana tamin’ny fampianarana rehetra voarafitra tanaty programa. Matetika mantsy, araka ny “Didy Vaovao” nanorenan’i Jesosy ny Tobilehibe Soatànana, dia ny resaka fitiavana hatrany no tsindriana.
Saika tonga nanefa ny anjarany avokoa ny Pastora sy ny Gamaliela-be nanankinana ny toriteny sy fampianarana ary lahateny. Anisan’ireny ny Pastora Samoela Georges, Tonian’ny Flm, sady nisatraka ny jobily notanterahan’i Soatànana rahateo izy mivady. Tsy diso anjara koa ireo Sojabe toa an’i Dr Lotera Fabien sy Dr Randrianasolo Joseph. Toa izany koa ny Dr Rabemanantsoa Noël sy ireo Filohana Synodam-Paritany, dia ny Tonia Nasionaly Lefitra Randrianirina Dieu-Donné (Spaf), ny Dr Rakotonirina David (SpAnta), ary ny Pastora Randriamampianina Charles Walter, izay nisolo ny Dr Andriatsimialomananarivo Solomon Mpitandrina, izay voatery niverina maika any Côte d’Ivoire, na dia efa tonga mialoha tany Soatànana aza, noho ny raharaha nanalan’ny Tompo azy.
Ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Andrianarivo Harimampianina mivady no nitarika ireo Solombavambahoakan’ny betsileo sy ny vadiny avy, tonga nanome voninahitra ny fotoana (Rasolonomenjanahary Fidélis Justin, Depioten’Ambohimahasoa, Razanamahasoa Christine, Depioten’Ambatofinandrahana). Naniraka solontena kosa ny Minisitra Andriantiana Jacques Ulrich (Fizahantany, Fitaterana ary Famantarana Toetrandro) sy ny Minisitra Realy Onitiana (Mponina, Fiahiana ara-tSosialy ary Fampiroboroboana ny Vehivavy).
Nampihetsi-po ny besinimaro ny nahita ny mpifaninana teo amin’ny sehatra politika nifanakaiky toerana sy niara-nidera an’Andriamanitra tamin’ny fo tony. Tsy iza moa izany fa ny depioten’Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine sy ny Pds tanànan’i Fianarantsoa, Harilalaina Irma Juliandres. Izy mirahavavy ireo dia samy kandidà ho Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa, ary nifanolana teo amin’ny valim-pifidianana.
Tsy nahazo toerana nandritra ny isantaonan’ny Tobilehibe Soatànana anefa izany endrika fifaninanana politika izany, fa dia niray fo niara-nidera an’Andriamanitra ireto olomangan’ny betsileo ireto. Vao mainka nahavelo-tsiky ny mpitazana ny nahita an-dRtoa Razanamahasoa nanolotra chocolat ho an-dRtoa Harilalaina teo anilany, izay nandray izany am-pitsikiana. Porofo izany fa mampiray tokoa ny Tompo, ary mampangina ny hambo-po rehetra sy izay mety ho endrika disadisa tany amin’ny fiaraha-monina andavanandro.
Rariny tokoa raha ny finoana no nidirana lalina tamin’ity indray maka ity, satria ny Teny faneva nomen’i Jesosy ny Ray aman-dreny sy ny Komitin’ny 10 aogositra dia ny Jao. 11, 40b “… Fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra”.
Mpiandry 125 sy Mpampianatra 12 no natokana tany Soatànana. Ho tokanana amin’ny oktobra koa ny foto-drafitrasa vaovao entina hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio avy eny an-tendrombohitra, nahazoana fanomezana mitentina 14.453 euros avy tamina havana katolika any Frantsa. Efa zatra mamonjy fivahiniana masina any Lourdes sy Saint-Jacques-de-Compostelle ireo havana ireo ka malala-tànana raha nandre fa tsy ampy rano ny vahiny mitsidika an’i Soatànana. Ankoatra izany, dia manamora ny fivezivezen’ny Ray aman-dreny izay efa be taona tokoa ny fanomezana posiposy avy amin’ny zanaka am-pielezana.
Nanatontosa ny anjarany tamin’ny Jobilin’ny Tonian’ny Flm mivady ihany koa ny Tobilehibe Soatànana. Nandray anjara tamin’ny zahatany ara-pilazantsara, ka nitsidika ireo toerana miavaka ananan’i Soatànana koa ireo izay tsy nisafidy ny hanao asam-piraisana.
Dossier réalisé par Solo RABEFIRINGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







