Tsy mahalala izay hahafaty azy !
Sarotra entanina ny Malagasy ary tsy mijery izay hahasoa azy hoy ny mpitsabo iray mandray anjara amin’ny vaksiny faobe hanafoanana ny aretina lefakozatra. Maro ireo ray aman-dreny no tsy marisika ary mitady ny fomba rehetra tsy hampanaovana vaksiny ny zanany. Maimaim-poana anefa ary atete ao am-bava dia vita ilay izy. Izany hoe tsy mitaky iray minitra akory fa dimy segondra eo dia vita. Ho an’ireo tsy te hampanao vaksiny ny zanany dia misy ny tsaho miely fa vao maika mankarary ary fanaovana andrana fotsiny io vaksiny aparitaka eto amintsika io. Nanamafy anefa ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana fa tsy mitombina izany. Ireo mpitsabo rehetra izay nanontaniana, ihany koa, na eo anivon’ny Fanjakana izany, na tsy miankina dia samy nanamafy fa tsy misy risika izany ity vakisiny ity. Tsy mahalala izay hahafaty azy ny Malagasy ary vonona ny hanao sorona ny zanany ny ray aman-dreny maro mba tsy atao vaksiny. Ny tena manaitra ireo mpitsabo dia ny sokajin’olona avy amin’ny fianakaviana sahirana izay sady tsy manam-bola hividianana vaksiny fanefitry ny lefakozatra no ihany koa tsy hanam-bola hitsaboana raha sanatria mitranga ny loza no tena tsy mavitrika amin’ny vaksiny maimaim-poana.
Tsy adinon’ireo misalasa anefa izany satria efa zatra voafitaka sy atao sorona ny Malagasy ka mailo hatrany raha vao misy zava-mitranga. Tsy mitombina ary nofinofy fotsiny ny zavatra maimaim-poana eto amintsika ka mahina ny vahoaka raha vao misy izany. Tsy matoky ny fanapahan-kevitra sy izay asa rehetra ataon’ny fitondram-panjakana, ihany koa, ny olona ka raha vao misy fanentanana sy hetsika dia efa mihevitra avokoa fa fandrika izany. Izao tsy fahavitrihan’ny Malagasy hampanao vaksiny maimaim-poana ny zanany izao dia tena mampiseho fa matahotra ny Fanjakana ny vahoaka. Heverin’ireto farany fa hanapoizina an-janany ny mpitondra ary aleon’izy ireo maka ny risika ho voan’ny lefakozatra ny zanany. Ratsy endrika eo imason’ny vahoaka ny fitondrana ka na inona na inona fanapahan-kevitra raisina dia fandavana hatrany no asetry ny vahoaka izany.
Tsy ity vaksinin’ny lefakozatra ity ihany fa na ireny fanamboarana fotodrafitr’asa sy fandaminana rehetra hita fa tokony hahasoa ny andavanandrom-piainan’ny olona ireny aza dia fandavana hatrany no setriny. Mikaikaika ny vahoaka sy ny mpandalo eto an-drenivohitra noho ny afitsoky ny fitohanan’ny fifamoivoizana nefa manakiana tanteraka ihany koa ny tetikasa hanitarana ny lalana eo Soarano sy ny fanamboarana ny lalana eny Anosizato. Manaporofo ireny rehetra ireny fa halam-bahoaka ity fitondrana ity ary miandry kendry tohina fotsiny ny maro an’isa hanehoana ny tsy hafaliany amin’ny alalan’ny fandavana izay rehetra aroson’ny mpitondra.
Ny vahoaka tsy mba diso fa matoa mandà hatrany dia efa tofoka tanteraka ary mampiseho fa leo sy tsy mila ny mpitondra ankehitriny intsony. Tokony hieritreritra ny mpitondra Fanjakana manoloana izany ary mitady hevitra mahomby faran’izay haingana hamitram-pihavanana amin’ny vahoaka. Ny fampidinana ny vidim-piainana sy ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana ary ny famongorana ny delestazy dia efa antoka goavana hahatongavana amin’izany. Tsy adala akory ny vahoaka ka hankahala mpitondra raha toa ka taka-bidy ny sakafo sy ny fanafody ary ireo zavatra rehetra ilaina andavanandro. Tsy hisy olona tsy hankasitraka ny mpitondra, ihany koa, raha toa ka miaina tanteraka ao anaty fahalemana ny tany ka tsy misy intsony ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-piadiana ary ny asan-dahalo. Hankasitraka ity fitondrana ity ny vahoaka manontolo raha toa ka foana tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ny delestazy. Toa nofinofy sy rediredy ihany anefa izany rehetra izany raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina satria aleon’ny mpitondra mandany andro sy mandany vola hanatrehana fivoriana any ivelany sy hikarakara fifidianana Loholona izay tsy hitondra vahaolana amin’ny vidim-bary sy ny asan-dahalo ary ny delestazy akory. Nofinofy sy rediredy ny fampandrosoana nefa azo tanterahina tsara raha toa ka misy ny finiavana hanao izany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







