Farafangana – Efa-dahy nirongo basy nanafika tokantrano iray
Tokantrano iray no lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambalamanga Mahasoa, any amin’ny kaominina Farafangana, ny talata alina hifoha alarobia. Jiolahy miisa 4 nitondra basim-borona sy ny fitaovam-piadiana hafa no nanafika tokantrano iray, tany an-toerana. Nopitsohin’izy ireo ny varavarana ary nanapoaka basy avy hatrany vao niditra ny trano. Nandrahona ny tompon-trano izy ireo mba hamoaka ny fananany fa tsy nety nanome ity voalohany ary vao maika aza nanohitra ireo olon-dratsy, izay tsy nampoizin’izy ireo mihitsy.
Nokapan’ny raim-pianakaviana ny famaky ny iray tamin’ireo jiolahy ka naratra mafy. Nandositra avy hatrany ireo namany taorian’izay ary mbola tafaporitsaka kosa ilay naratra. Tsy nahazo na inona na inona noho izany ireo jiolahy. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na naratra teo amin’ireo lasibatra. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







