Famonoana polisy tany Tsaratanàna – Voasambotra ny iray tamin’ireo dahalo
Nilaza tsy nanontaniana, izay no nilazana ny dahalo iray isan’ireo nahafaty polisy tany Tsaratanàna ny volana jolay lasa iny. Mamo io dahalo io ka noraisim-potsiny tao amin’ny toerana fisotroana toaka tany an-toerana rehefa tsy nahatam-bava. Namboraka ny tsiambaratelony io dahalo io, « Izaho no naman’ireo dahalo namono polisy sy nitifitra kaomisera tamin’ny volana jolay iny. Tsy izay ihany fa efa betsaka ny fanafihana nataonay saingy tsy tratra izahay ary ny tenako manana ody manakana ny fipoahan’ny basy »
Tsy nampoiziny anefa fa nisy tamin’ireo olona tao amin’izany toerana fisotroana izany nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Nidina teny an-toerana ny polisy nisambotra azy ka tsy afa-nitsoaka intsony ny anao lahy. Ny alarobia teo no nentina tany Mahajanga io dahalo raindahiny io natao famotorana ary mandra-piandrasana ny fitsarana azy dia notazomina ao amin’ny polisy ao Mangarivotra izy. Raha tsiahivina, polisy iray no namoy ny ainy ary kaomisera iray naratra mafy tamin’ny fanakan-dalana nataon’ny andian-dahalo tao amin’ny tananan’i Tsaratanàna ny volana jolay lasa teo iny. Avy namita irika tany Mampikony izy ireo tamin’io fotoana io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







