Halatra omby – 80 isa indray no lasa indray
Tamin’ny talata alina 29 septambra lasa teo no notafihan’ny dahalo ny tao amin’ny fokontany Betafo, kaominina Tsaratanàna. Jiolahy maherin’ny 70 nitondra basim-borona miisa 6 no tonga masiaka tamin’io toerana io nandroba omby 80 izay mbola tsy fantatra ny tompony. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovan’ireo dahalo tao an-tanàna ka tsy nisy sahy nivoaka nanohitra azy ireo ny mponina. Nigalabona noho izany izy ireo nanesy ireo omby tao.
Efa lasa ireto farany vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona ka nidina teny an-toerana nisehoan’ny fandrobana izy ireo nanao ny fizahana.
Nisy ny fanarahan-dia taorian’izay niaraka tamin’ireo fokonolona nanaraka ny dian’ omby. Efa nampandrenesina ihany koa ny zandary ao Ambondromamy hanao ny « bouclage ». Lasa mandry tsy lavo loha ireo mponina any an-toerana amin’ny afitsok’ ireo dahalo. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny halatra omby ao amin’ny kaominina Tsaratanàna amin’izao fotoana izao, tsy misy andro iray izay tsy nahenoana ny asa ratsin’ireo dahalo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







