Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fihinanana « sardines » – Olona 48 nampidirina hopitaly tany Sambava

Efa hananika any amin’ny dimampolo any ireo olona marary mafy ao amin’ny hopitaly Csb Ambatoafo, distrikan’i Sambava amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Tombanana avy tamin’ny fihinanana trondro « sardines » izay nalaina tany Sambava tamin’ny talata lasa teo no anton’izany. Zaza, tanora hatramin’ny olon-dehibe no fantatra fa malemy, mandoa ary mivalana any an-toerana.

Very hevitra tanteraka ny sefon’ny Csb manoloana izao trangan-javatra izao. Miantso vonjy amin’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana any Sambava ireo mpitsabo any Ambatoafo mba hitadiavana vahaolana haingana fa ahiana ny mety hahafaty ireo olona ireo raha tsy misy ny fandraisana an-tanana haingana. Fantatra ihany koa fa efa tsy mahazaka ireo marary intsony io toeram-pitsaboana io ka ilaina ny famindrana ireo olona ireo.

 

Roa hafa maty tany Toliara

Tsy fantatra mazava na sakafo lany daty na koa tena fanampoizinina tsotra izao fa tovolahy roa no namoy ny ainy tany Toliara ny fiandohan’ity herinandro ity. Nisotro toaka tao amin’ny « bar » niaraka tamin’ireo namany izy roa ireto, ny alahady teo, ka trondro anaty boaty no natao tsaky. Ny alatsinainy teo anefa dia narary mafy ireo telo lahy niara-nisotrosotro ka nampidirina hopitaly haingana. Tsy niala nenina akory ireo mpitsabo fa namoy ny ainy ny iray tamin’ireto tovolahy. Ny namany iray indray maty ny alarobia teo ary mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ny fahatelo tamin’izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre