Manantena tsy misy !
Efa ho roa taona latsaka kely izao i Madagasikara no nahafeno ny fepetra takian’ny sehatra iraisam-pirenena ahafahana mamerina ny famatsiam-bola sy ny fiaraha-miasa rehetra.Efa misy fitondrana mijoro ara-dalàna, voafehin’ny Lalàmpanorenana ary eken’ny malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena eto. Efa nampiarina manontolo, ihany koa, ny tondrozotra satria nampodiana ny sesin-tany politika ary notanterahina ny fampihavanam-pirenena ka nanantena ny vahoaka fa hiverina amin’ny laoniny ny fiainany sy ny fiainam-pirenena.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana, hoy ny fitenenana, satria toa tsy hita izay tena laoniny niverina teo. Ity “amin’ny laoniny” ity rahateo no tsy mety voafaritra mazava hatramin’izay satria toy izao hatrany fiainan’ny malagasy na nisy krizy na tsy nisy krizy. Ny mahagaga aza dia toa mbola tsara kokoa, noho izao, ny zava-nisy tamin’ny fitondrana tetezamita izay voatondro ho mpanongam-panjakana, mpanitsakitsaka Lalampanorenana sy zon’olombelona, no sady, ihany koa, voasazy sy tsy nahazo famatsiam-bola teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tamin’izany, fotoana izany, anefa tsy toy izao ny vidim-piainana ary tsy nisy ny delestazy. Nanantena ny vahoaka fa hihatsara ny fiainana rehefa miditra amin’ny Repoblika fahefatra kinanjo toa ny hitsikitsika natao ivavahana indray no lasa papango nifaoka ny akoho kely.
Nangataka fotoana hatrany ny mpitondra mba ametrahana ny rafitra feno hiverenana amin’ny laoniny ary efa tafapetraka izany ankehitriny. Efa mijoro ny andrim-panjakana rehetra ka ny Antenimieran-doholona sisa no andrasana tsy ho ela. Efa voafidy, ihany koa, ny ben’ny tanàna hitarika ny fampandrosoana eny ifotony. Izany hoe efa miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fandaminana ho amin’ny asa fampandrosoana.
Miverina amin’ny laoniny, toy izany, ihany koa, anefa ny andavanandrom-piainan’ny olona satria nifarana ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra ka miditra ny mpianatra. Miverina ny fitohanan’ny fifamoivoizana, sy ny hazakaza-dava ary ny tsy fahampiana rehetra ao an-tokantrano. Raha ny tokony ho izy dia izao fidiran’ny mpianatra izao no vanim-potoana tena hisehoan’ny asa fampandrosoana marina satria miverina amin’ny asa aman-draharahany avokoa ny rehetra taorian’ny fialan-tsasatra. Tsy izay anefa no mitranga fa vao maika misahotaka ambony ambany ny andavanandrom-piainan’ny malagasy. Manampy trotraka rahateo ireo olona maro efa raiki-tapisaka toy ny tsy fisian’ny vola ao an-tokantrano, ny tsy fisian’ny asa, ny tsy fandriampahalemana, ny delestazy sy ny maro hafa.
Na ny vahoaka aza dia tsy mahalala intsony hoe inona marina no tena antenainy satria mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha. Manantena ny hiverina amin’ny fiainana taloha, izay fahantrana toy izao, ihany ve sa manantena fiovana izay mbola any an-kibon’ny omby. Manantena tsy misy e!Toa zary mamoy fo amin’ny revin-gadra sy ny nofinofy sisa ny ankamaroan’ny olona. Manantena ny hahazo vola be tampoka avy amin’ny mirakla dia hanao trano be sy hividy fiara tsara tarehy. Ny tetika hahazoana izany rehetra izany anefa tsy mba misy fa nofinofy fotsiny no betsaka. Ho an’ireo miasa dia vitsy no afaka manao tahiry kely satria ny karama raisina aza tsy maharitra hatramin’ny faran’ny volana manaraka akory. Ho an’ireo tsy an’asa moa dia mandany andro amin’ny rediredy sy miady hevitra tsy hihinanan-kanina fotsiny.
Mahonena ny mahazo ny vahoaka malagasy izay lazaina hatrany fa monina eo ambony firenena rakotra harena voajanahary nefa mahantra fadiranovana. Sahirana ny mpitrondra fanjakana ary hita fa tena tsy mahavita ny hisintona ity firenena ity hiala ao anaty fahantrana mihitsy. Toy ny olon-drehetra, mety mba manana finiavana ny hampandroso ny firenena ihany ny Filoha Rajaonarimampianina saingy tsy mety hitany ny lalana tena mahomby hahatongavana amin’izany. Maro rahateo ireo manodidina azy no mpanao ampihimamba ny harem-pirenena sy ny tombontsoa samihafa amin’ny alalan’ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana. Manantena tsy misy ny Filoha raha mihevitra fa tena manohana azy amin’ny asa fampandrosoana ireo tompon’andraikitra rehetra notendreny.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







