Tsy mahay mamaky teny sy manoratra – Olona 6 000 hahazo fampianarana
Anisan’ny marika iray entina hamantarana ny fahantran’ny firenena iray ny fahamaroan’ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra ao aminy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy teo, ny fanentanana ny olona amin’ny fianarana mamaky teny sy manoratra ary manao kajy. Olona miisa 5 tapitrisa sy roa hetsy no kendrena hahay hamaky teny sy manoratra amin’ity andiany voalohany ity dia tanora 15 taona mihoatra sy vehivavy 6 000 no hahazo ny fampianarana eny amin’ny ivon-toerana miisa 100 manerana ny Nosy. Ireo Faritra tena sahirana eto Madagasikara no tena voakasika amin’izany dia ny any Androy, Menabe, Atsimo Andrefana sy Atsinanana, Nosy Be ary Analamanga.
« Hisy ny fanentanana miainga avy eny amin’ny fokontany ary haharitra 18 volana ny fampianarana. Miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ireo olona ireo aorian’ny fianarana satria ny hahafahany mioavotra amin’ny fiainana no tanjona. Ao anatin’izany ny fambolena, ny resaka sakafo sy ny maro hafa » hoy i Arthur Ravelonjanahary, talen’ny fampianarana. Mpanentana miisa roapolo mahery sy ivon-toerana maro no nofanina hampianatra ireo olona ireo. Nisy ihany koa ny fitaovana, toy ny môtô nomena ireo mpanentana mba hanamorana ny fivezivezin’izy ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







