Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambohidratrimo – Dimy lahy nitondra kalach nanafika fivarotana

Mahazo vahana indray ny fanafihana ataon’ireo jiolahy eny Ambohidratrimo sy ny manodidina ankehitriny. Fivarotana iray eny Ambatolampy Tsimahafotsy no lasibatry ny dimy lahy nirongo kalach sy antsy lava ny sabotsy alina teo, tamin’ny 10 ora. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovan’ireo jiolahy. Novakian’izy ireo ny varavarana ary avy hatrany dia niditra tamin’ny fomba feno fasahiana . Nandrahona ny tompon-trano tamin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teny am-pelatanany ireto jiolahy ary izay finday nipetraka teo ambony latabatra no nalain’izy ireo voalohany ka tsy nisy sahy nihetsika ny iray trano. Nakorontan’izy ireo ambony ambany amin’izay ny tao an-trano hitadiavana ny vola sy ny firavaka sarobidy. Lasa tamin’izany ny vola 6 tapitrisa ariary sy ny volamena ary ny finday araka ny voalaza tetsy ambony. Vao nahazo izay nilainy ireo olon-dratsy dia lasa nandositra sady mbola nanapoaka basy hatrany mba ampitahorana ny manodidina sao misy mitady hanaraka. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tamin’io fanafihana io.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre