Fanafihana mitam-piadiana – Telo lahy nalefa any Tsiafahy
Telo lahy no indray nadoboky ny Fitsarana any Tsiafahy ny zoma lasa teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana any amin’iny Faritra Itasy iny dia sarona tao Imerintsiatosika izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Nandrahona manam-pahefahana iray tany an-toerana izy telo lahy ireo, araka ny vaovao voaray, ka teo no niainga ny fanadihadiana. Vaovao avy tamin’ny olona tsara sitra-po no nahalalana ny toerana niafenan’izy ireo. Nidina avy hatrany teny amin’ny trano fonenan’ireto olon-dratsy ny zandary ka tra-tehaka tao, ary nosamborina avy hatrany atao famotorana. Nisy ihany koa ny fisavana ny tranon’ireo jiolahy ireo ka sarona tao ny basy poleta iray sy bala maromaro ary ody gasy fampiasainy rehefa hanafika. Niaiky ny heloka vitany izy telo lahy nandritra ny famotorana azy ireo. Ny zoma teo no natolotra ny fitsarana ireto farany ary nalefa any Tsiafahy taoriana fihenoana azy ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







