Institut de leadership chrétien – Varavarana misokatra no hitsarana ny mpianatra
Manana sampam-pampianarana miisa 8 ny Institut de leadership chrétien (ILC) ary ny kalitaon’ny fampianarana izay atolotra no tena tanjony fa tsy ny isan’ny mpianatra miditra amin’ny taom-pianarana iray. Nanapa-kevitra, noho izany, ny tompon’andraikitra amin’ity sekoly ambony ity fa amin’ny alalan’ny varavarana misokatra no andrefesana ny taham-pahaizan’ireo mpianatra fa indrindra ireo amin’ny taona voalohany tamin’ny taom-pianarana 2014-2015. Naharitra roa andro izany, izay notanterahana ny zoma sy sabotsy lasa teo, teny amin’ny ILC Mahamasina.
« Raha tokony hanao andran’asa ireo mpianatra dia tsy nampanaovina fa ity varavarana misokatra ity no hanehoana ny zavatra tena voarain’izy ireo tamin’ity taom-pianarana ity. Sady fanadinana ho an’ireo amin’ny taona voalohany izany », hoy Bishop Patrick Andrianarivo, tale jeneralin’ny sekoly ILC.
Io varavarana misokatra io, ihany koa, no ampisehoana amin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra ny fahaizan’izy ireo. Tsy ho an’ ireto mpianatra ireto ihany fa fampisehoana amin’ny ety ivelany ny fahaizan’ny mpianatry ny ILC izay mbola amin’ny taona voalohany aza nefa afaka manao zavatra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







