Facebook – Tovolahy voasoloky Ar 500 000
Tovolahy iray indray no voasolokin’ny tovovavy tao amin’ny tambazotra serasera iray tamin’iny herinandro lasa iny. Nifanerasera tamina tovovavy iray tao amin’ny « facebook » izay milaza fa monina any ampitan-dranomasina ity tovolahy ity. Naharitra amam-bolana ny finamanan’izy ireo izay niafara tamin’ny fifankatiavana. Ny volana septambra iny anefa dia nilaza fa ho avy eto an-tanindrazana hiala sasatra ilay tovovavy fa any Mahajanga no mijanona ny sidina misy azy sady any ihany koa no misy ny ray aman-dreniny. Tamin’ny herinandro teo dia nilaza fa nanofa fiara hiakatra aty an-drenivohitra io tovovavy io ary niteny tamin’ilay tovolahy hijery toerana fanakalozam-bola vahiny satria misy 1 000 euros hatakalo any aminy.
Tamin’ny andro nilazan’ ilay vehivavy fa niaingany tany Mahajanga dia niantso an-tariby ilay tovolahy izy fa lany solika ao Mahatsinjo ka mangataka ny andefasana vola Ar 200 000 hividianana gazoala saria tsy manana vola gasy. Vao naheno izany ilay tovolahy dia nindrana vola tamin’ny namany ka nandefa. Ora vitsivitsy taty aoriana dia niantso indray ilay tovovavy fa lany gazoala hatrany ka mila vola Ar 100 000. Tsy nijanona teo anefa izany fa mbola nangataka vola matetika ilay mpisoloky ka io lany solika io hatrany no fialan-tsininy. Nanantena fa ho soloin’ilay vehivavy izany vola izany ka nandefa Ar 200 000, vola mbola nindramina avokoa ilay lasibatra. Vao azon’io vehivavy io anefa ny vola rehetra dia novonoiny ny findainy ary tsy nahenoana vaovao intsony izy. Ilay tovolahy etsy ankilany voatery tsy maintsy hamerina volan’olona nefa izy tsy miasa akory.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







