Tsy misy tany iainana !
“Velona ny lakolosy, hanomboka ny lakilasy”. Tanteraka ara-bakiteny io hiran’ny mpanakanto Ifanihy io omaly. Vao maraim-be dia efa maro ireo mpianatra nanao aron’akanjo sy fanamiana hita nitanjozotra nibaby kitapo be handeha hamonjy indray ny dabilion’ny sekoly. Fidiran’ny mpianatra avy hatrany no tonga ao an-tsain’ny maro vao nahita ireny ankizy marobe handeha hianatra ireny. Raha atao jery tokana dia toa tomombana tsara na ny akanjo, na ny kitapo entin’ireo ankizy. Hita amin’ny fibontsiny fa feno fitaovana vaovao ao anatiny. Tsy mora tamin’ny ray aman-dreny anefa no nahazo ireny fitaovana ho an’ny zanany ireny satria maro ireo fianakaviana no nanao izay fomba rehetra vao afaka nividy izany. Nisy nitrosa, nisambo-bola, nivarom-pananana, nisoloky, sy nangalatra…ho an’ny zanany. Ny tena ray aman-dreny rahateo dia tsy mihemotra manoloana ny sarotra ary tsy maintsy mamorona ny tsy misy mba ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranany. Efa maharesy lahatra ny maro rahateo ilay fomba fiteny hoe “ny fianarana no lova tsara indrindra, ho an’ny taranaka”. Vonona ny hampandefitra zavatra marobe eo amin’ny fiainany mihitsy ny ray aman-dreny maro ho fanefana ny adidin’izy ireo amin’ny fampianaran-janaka.
Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana eto amin’ity firenena ity amin’ny hoe “hianatra dia ho aiza? Hianatra dia hanao inona?”. Vola an-tapitrisa no lanian’ny tokantrano amin’ny zaza iray nefa toa fatiantoka no azon’ny maro an’isa amin’izany. Misy voka-panadinana ofisialy mantsy tsy nihoatra ny 25% ny taham-pahafahana. Izany hoe toy ny natsipy teny am-baravarankely fotsiny ny vola nolanian’ny ray aman-dreny, ary very maina ny ezaka nataon’ireo mpiantra 75% tao anatin’ny herin-taona. Mampiseho endrika olana ara-tsosialy maro ny tahan’ny tsy fahafaham-panadinana izay ambony. Tsy azo lazaina mihitsy fa dondrona ny mpianatra malagasy raha toa ka 75% no tsy afaka tamin’ny fanadinana ofisialy tany amin’ny faritra sasany.
Misy aretina mikiky ny firenena ary mipaka any amin’ny ankizy mpianatra izany. Mety tsy miditra amin’ny resaka politika ireny zaza ireny saingy kosa mahatsapa ny zava-misy eo anivon’ny fiaraha-monina. Mitaintain-dava toy ny olon-dehibe ihany ny ankizy ary misy akony ratsy any amin’ny fianaran’izy ireo izany. Olombelona ihany koa ny mpampianatra ka miteraka olana amin’ny fampitana ny fampianarana izany.
Mavitribitrika ny rehetra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao nefa toa fahazarana fotsiny sisa fa tsy misy ho avy mamiratra antenaina. Asarotina avokoa mantsy ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena. Ireo tompon’andraikitra nantenaina hitantana ho any amin’ny fampandrosoana toa variana amin’ny zavatra hafa tsy misy fiantraikany ho an’ny vahoaka.
Ireo tanora, lazaina hatrany fa ho avin’ny firenena, no tena simba satria rehefa tsy mandeha ny fampianarana dia mitodika any amin’ny zavatra hafa izy ireo. Ny ankamaroan’ireo olon-dratsy voasambotra dia mbola zaza na tanora tokony hanohy fianarana avokoa saingy niala tamin’izany noho ny antony samihafa. Rehefa tsy manam-bola hampianarana intsony ny ray aman-dreny satria sady lafo ny sarany nefa tsy misy vokatra akory dia voatery miditra eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola ny tanora sy ny ankizy. Tsy misy anefa ny asa ary na misy aza dia karama tsy mahavita herinandro akory no raisina isam-bolana. Lasa miroboka any amin’ny zava-dratsy toy ny fisolokiana, halatra, ary fivarotan-tena ny ankamaroan’ireo marivo salosana ka izay no mampiakatra be ny tahan’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Tena mamohehitra raha atao indray mitopy maso nefa mahonena rehefa dinihina ny mahita fa hatramin’ny zatovolahy no roboka amin’ny fivarotan-tena ary ny zatovovavy tafatsofoka amin’ny fikambanan-jiolahy. Very hasina ny tanora malagasy satria mitotongana ny tontolon’ny fampianarana. Mila vahaolana maika! Tsy vahaolana mitokana anefa fa tsy maintsy miaraka amin’ny asa fampandrosoana amin’ny sehatra rehetra. Toa nofinofy ihany izany raha ny zava-misy ankehitriny no jerena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







