Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fandorana vazaha tany Nosy Be – Nohenoin’ny fitsarana ny loholona teo aloha Joseph Yolande

Roa taona aty aoriana, niakatra fitsarana teny Anosy omaly ny raharaha famonoana sy fandorona teratany frantsay sy italiana ary malagasy, tany Nosy Be ny volana oktobra 2013. Ny fiampangana ny loholona teo aloha, Joseph Yolande, ho nitarika ny vahoaka hanao fitsaram-bahoaka – tamin’ny filazany ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana ny famonoana ho faty tamin’ny fomba feno habibiana an’ilay zazalahikely 7 taona – tamin’iny fotoana iny dia nohenoin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izy.

Nandà izany fiampangana izany ity loholona ity ary nohazavainy tamin’ny mpitsara fa nandamina ny raharaha no nitenenany tamin’ny onjam-peo iray tany an-toerana.  Ankoatra io senatora io dia olona voampanga miisa 6 ihany koa no nohenoin’ny mpitsara. Ireto farany izay voalaza fa nitora-bato sy nandroba ny fonenana sy ny tobin’ny zandary ary ny biraon’ny Air Madagascar. Nandà ny fiampangana azy ireo avokoa ireo olona ireo. Tsy nisy niaiky fa nandray anjara tamin’izany korontana izany izy rehetra. Hitohy rahampitso ny fandaharana ary efa tonga rahateo ireo zandary roa anisan’ny voampanga.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre