Mahambo – Alemà sy Frantsay voatafika tao anaty hotely
Nirefodrefotra ny basy tao amina hotely iray tany Mahambo. Lehilahy teratany Alemà sy vehivavy frantsay no notafihan’ny dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana. Nitifitra avy hatrany ilay mpiambina raha nahita ireo olon-dratsy nisarisarika ireo mpizahatany ka namaly ireo jiolahy ary voa teo amin’ny tongony iry voalohany. Nandamoka ny fikasan’ireo mpanafika saika haka an-keriny ireo vahiny ireo fa ireo kitapo babena no sisa lasan’izy ireo. « Mbola vao tafiditra ny efitrano izahay, nisy dimy lahy nitondra basy nanao amboletra. Notaritarihiny nivoaka izahay ary voavely tamin’ny zavatra mafy ny lohako », hoy ilay vazaha nijoro vavolombelona tamin’ny zavatra nanjo azy, tao amin’ny biraon’ny zandary tany Fenoarivo Atsinanana ihany.
« Fikasana haka an-keriny ity nitsefotra ity, satria nisy mpiambina ilay trano fandraisam-bahiny ka nitifitra avy hatrany raha vao nahita ireo vazaha notarihina nivoaka. Nirefodrefotra ny basy, voatifitra tamin’ny tongony noho izany ilay mpiambina. Rehefa tsy afaka nitondra ireo vahiny izy dimy lahy mpanafika, ireo kitapo babena miisa telo nisy entana, vola ary ny antontan-taratasy momba azy roa no nalain’izy ireo », hoy ny mpanao fanadihadiana avy ao amin’ny kaompanian’ny zandary Analanjirofo. « Vao nigadona tao Mahambo mihitsy izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny fikasana haka an-keriny izao », hoy hatrany ny zandarimaria.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







