Ny Dikateny – Tetezana mampifandray ny kolontsaina
Nankalazaina ny 2 oktobra lasa teo ny andro eran-tany momba ny dikateny, tao amin’ny Akademia malagasy ao Tsimbazaza. « Manan-danja, antoka iray amin’ny fampandrosoana ny firenena ny dikateny. Ny teny dia fitaovana mampitohy ny lasa sy ny ankehitriny. Ny dikateny kosa dia tetezana mampifandray ny kolontsaina amin’ny teny ny tena mankany amin’ny tenin’ny hafa », hoy i Ratsimandrava Juliette, tale jeneralin’ny foibe momba ny Teny an’ny Akademia. Naharitra telo andro ny fankalazana, izay mitondra ny lohahevitra hoe « Ny asa fandikana teny eto Madagasikara sy ny tontolon’ny rakibolana ».
Ny tanjon’ny dikateny dia fifampifandraisana ny olona mampiasa teny tsy mitovy ary mariky ny fisokafan’ny tsirairay amin’ny tontolon’ny hafa, sady tetezana mampita amina kolontsaina samihafa, dia navoitra fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fifandraisana isan-tsokajiny. Mahazo vahana ihany koa ny dikateny vokatry ny fivoaran’ny haitaon-tserasera sy ny filàna mpandika teny amin’izao andron’ny hairaha izao.
Nandritra ity fankalazana ity no nilazana fa ho sokafana ny fanomanana ny mpandika teny matihanina, hisy ny tetikasa hanapariahana ny rakibolana, indrindra eny anivon’ny sekoly, velomina na atsangana ny komity momba ny fandikan-teny isaky ny ministera sy ny orindraharaha samihafa izay hisahana ny fanefena voambolana; tenivao ampiasaina ao amin’ny sehatra iasany sy ny maro hafa.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







