Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Faratsiho – Olona roa matin’ny pesta

Ahitana soritra aretina pesta indray any amin’ny Faritra Vakinankaratra, andro vitsy lasa izay. Olona miisa 2 no namoy ny ainy vokatr’izany ary 11 hafa kosa efa sitrana soamantsara. Taorian’ny fahafatesana hafahafa tany an-toerana mantsy dia nisy fitsirihana nataon’ny mpitsabo ka voaporofo fa pesta no nahafaty ireo olona tao amin’ny tanàna Vodiala Analavelona, fokontany Ampasanomby, kaominina Ambolona, any amin’ny distrikan’I Faratsiho, ny 3 oktobra teo.

Mihorohoro tanteraka ny mponina ao amin’io fokontany voalaza io amin’izao fotoana izao. Tanàna somary anaty lobolobo ny any Vodiala Analavelona ka tena tian’ny voalavo izay fositra miteraka ny aretina pesta. Nidina tany an-toerana ny mpitsabo avy tao Faratsiho nanao famonoana ny otrik’aretina sy nandevina ireo maty. Nisy ihany koa ny fanentanana natao tamin’ireo fokonolona mahakasika ny fahadiovana mba tsy hiparitahan’io aretin-dratsy io. Tafiditra amin’izany ihany koa ny famporisihina azy ireo hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha vantany vao marary mba ahalalana ny fototr’aretina.
Eo ihany koa ny famonoana tanteraka ireo mikraoba mety miparitaka amin’ilay faritra nahafaty ireo olona ireo, ary koa ny fijerena ny fahasalaman’ireo olona akaiky sy nifanerasera tamin’ireo matin’ny valan’aretina.

« Arahi-maso akaiky ny fianakavian’ireo maty sy ireo marary hafa isan-tokantrano. Entanina ihany koa ny mponina hanadio ny tanàna.  Laharam-pahamehana ny famonoana ireo voalavo sy parasy izay fototra miteraka ny aretina», hoy ny mpitsabo.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre