Fiara tapaka hisatra – Mpandeha telo naratra mafy
Nitrangana lozam-piarakodia indray ny lalam-pirenena Rn6. Fiara mpitatitra iray, marika Peugeot 404 bâché no tra-doza, ny alatsinainy 5 oktobra, tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro, teo amin’ny 3 kilometatra niala ny sampanan-dalana Andreba. Tsy fantatra hoe avy aiza ity fiara ity tamin’ny nisehoan’ny loza fa hitodin-doha ho any Antsohihy kosa izy no izao tapaka hisatra tampoka izao, teo amin’ny 28 kilometatra tsy hiditra ny tanànan’i Befotaka Atsinanana. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily ka nivadika ambony ambany ilay fiara. Vokany, mpandeha telo tao anatiny no naratra mafy ary nalefa haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana any an-toerana. Fantatra ihany koa fa nanao taingim-be ity fiara fitaterana ity. Efa fanaon’ny fiara io zavatra io, indrindra fa ireo manao zotra Ambanja mankany Antsohihy. Na efa feno avy any amin’ny toerana niaingany ary izy ireo dia mbola mampiditra olona hatrany rehefa misy manakana eny antenatenan-dalana eny. Tsy misy ahiana kosa ny toe-pahasalaman’ireo niharam-boina.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







