Ambilobe – Sarona ny mpamoaka omby halatra ao amin’ny labatoara
Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary dia tratra ambodiomby ny lehilahy iray mpivarotra omby halatra avy ao amin’ny labatoara. Tsy mifidy ora ireo olon-dratsy manatona ireo mpivaro-kena sy manao fifanarahana any Ambilobe. Mahita ny vidin’ny omby mora be anefa ireo mpivarotra dia roboka mividy. Araka ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana, latsaky ny 6 hetsy ariary no hamarotan’ireo olon-dratsy ny omby iray, anefa raha ny vidin’ny omby ara-dalàna dia efa mihoatra izany. Tsy mahalala sy tsy mieritreritra na inona na inona ireo mpivaro-kena fa dia mamono avy hatrany ary aorian’izay vao manao ny fanamariham-pahasalamana, ka tsy tratra mihitsy ny omby halatra.
Mirongatra ny halatra omby amin’ireo kaominina ambanivohitra Ambilobe amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny fanadihadiana eo anivon’ny zandary mba hanatratrarana ireo olon-dratsy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







