Reniranon’i Pangalana – Roalahy iray tam-po indray nateliny
Tovolahy roa iray tam-po no natelin’ny reniranon’i Pangalana, ny talata atoandro teo, ao anatin’ny kaominina Ambila Lemaitso, ao amin’ny distrikan’i Brickaville. Nanatanteraka asa fanamboarana trano tsy lavitra eo izy roalahy ireo. Niakatra anefa ny hafanana ka nanapa-kevitra ny hilomano ny lehilahy maromaro teo an-toerana ka anisan’izany izy roa. Fantatra fa tsy nahay nilomano ny telo tamin’izy ireo fa nikiry niroboka tao anaty rano ihany. Tampoka teo anefa dia nilentika niantso vonjy ireo mpiray tam-po. Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny loza, raha ny vaovao voaray. Nanao izay ho afany kosa ireo lehilahy niara-nilomano tamin’izy ireto nanavotra aza roalahy fa niala maina. Nampandre ny fokonolona avy hatrany izy ireo ary nihazakazaka nidina teny amoron-drano ireto farany nanao ny fitadiavana an’ireo milentika. Naharitra ora maro ny fikarohana saingy tara loatra fa efa fatin’izy ireo sisa no nampakarin’ny fokonolona avy tao anaty rano.
`
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







