Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Antsohihy – Olona 7 matin’ny lozam-piarakodia

Olona fito no indray matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena Rn31, tao Andampiely, fokontany Ambatinifoko, kaominina Antsahabe, any amin’ny distrikan’i Antsohihy, ny 6 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 12ora sy sasany. Fiara minibus mpitatitra olona manao zotra Bealanana sy Antsohihy ity tra-doza ity.

Noho ny fandehanana mafy dia nidona tamin’ny rindrin-tany ilay fiara ary nivadika ambony ambany avy eo. Vokany, olona dimy maty teo no ho eo, ny roa hafa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ary zazavavikely 12 taona ny iray tamin’izy ireo. Mpandeha miisa 10 kosa naratra mafy, ao ny tapaka tanana sy tongotra, eo ihany koa ireo vaky loha izay efa manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana amin’izao fotoana izao.

Milaza tsy hipetra-potsiny manoloana ny voina mahazo ireo havany kosa ireo manam-pahoriana amin’ity loza ity. Efa mateti-pitranga loatra, araka ny vaovao voaray, ny lozam-piarakodia amin’iny lalam-pirenena iny noho ny setrasetran’ireo mpamily. Efa fanindroany tamin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ity herinandro ity io nitranga io.

Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre