Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Fisandohana polisim-pirenena – Lehilahy iray indray sarona

Voasambotra teny Itaosy ny talata 6 oktobra teo, ny lehilahy iray mitonona ho polisy. Roalahy izy ireo no nisandoka ho mpitandro filaminana fa ny iray ihany hatreto no tratra. Araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena, ny voalohan’ny volana oktobra, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina no niditra tao amin’ny toerana fanaovana Karaoke ireto roalahy nilaza ho polisy miasa ao amin’ny “surveillance du territoire” ary nisambotra lehilahy iray.

Nampidirin’izy ireo tao anaty fiara 4×4 io lehilahy io ary notereny handoa vola 1 tapitrisa ariary. Rehefa nilaza tsy manana io vola io ilay olona dia nalain’izy roalany ny vola Ar 50 000 teny aminy. Tsy nijanona teo fa mbola noterena koa nitondra azy roalahy tany an-tranony ity lehilahy ity ka nalain’izy ireo avokoa ny entana sarobidy toy ny solosaina azo entina mandeha, “équaliseur”, “disque dur” ary ny “table mixage”.

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre