Môtô nidona tamin’ny kamiao – Nosokirina tao ilay tovolahy tompony
Soa fa nijanona ilay fiara vaventy fa raha tsy izany dia efa fatin’ilay tovolahy no nosokirina tao ambaniny , omaly atoandro, tany Toamasina. Nandeha mafy be nanaraka ny lalana Boulevard Augagneur hivoaka any Tanamakoa iny ilay tovolahy no nianjera ny kodiaran-droa nentiny ary nikorisa tao ambany kamiao iray nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Saika fisaka tao ambany kodiaran’ilay fiara ny lohan’ilay tovolahy raha nisy kely, araka ny vaovao voaray. Tsy afa-nihetsika intsony hany ka voatery nesorina moramora izy. Tsy nahitana ratra ety ivelany fa vetivety teo dia nivonto be ny tarehan’ilay tovolahy. Ahiana ho ratra anatiny no mahazo io niharan-doza io raha ny fahitana azy. Nifamonjena nentina haingana tany amin’ny hopitaly ity tovolahy mba hahazo fitsaboana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







