Maty kapoka – Lasa adala ilay ankizilahy 10 taona
Naterin’ny olona tany Anjanamasina ny ankizilahy vao 10 taona monja ny alarobia lasa teo, rehefa hita fa misy voa kely ny saina. Nilalao niaraka tamin’ny ankizy tao amin’ny toerana iray tany Anosiala izy io ary rehefa tonga ny hariva dia nianahana teo fotsiny. Nanontaniana ny momba azy dia hoe efa maty ny ray aman-dreniny ary any anaty bozaka izy no matory. Nentina teny amin’ny fokontany tao an-toerana, avy eo indray teny amin’ny tobin’ny marary saina ao Anjanamasina. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia ny kapoka sy daroka nahazo ity ankizy lahy ity no nahatonga azy ho lasa mitapitapy ary nitsoaka ny trano fonenany. Hita ihany koa fa misy nana sy rà mivoaka tamin’ny sofiny noho ny dona mafy nahazo ny lohany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







