Vous êtes ici :

Jeudi 16 Mai 2024

ombre

Marary tsy nanam-bola – Nangalarin’ilay mpitsabo ny taovany

Tsy kely lalana ny mpanao ratsy. Mila mitandrina ny rehetra amin’ireny milaza ho fikambanana manampy ny sahirana ireny fa indrindra ireo avy any ivelany. Marary indray no lasibatra  teto an-drenivohitra vao tsy ela akory izay. Nanatona mpitsabo iray amin’ny tobim-pahasalamana ilay marary ary rehefa nozahana dia mila fandidiana, hoy ny mpitsabo. Nilaza anefa ilay marary fa tsy manana vola hanaovana izany satria avy amin’ny fianakaviana sahirana. Nanambara ilay dokotera fa misy fikambanana avy ivelany miantoka ny olona sahirana any mandray an-tanana ny lany rehetra amin’ny fandidiana azy raha vonona izy.

Rehefa vita anefa izany dia vao maika nihombo ny aretiny taty aoriana. Tsy niverina tany amin’ilay mpitsabo intsony izy ireo fa niova hopitaly hialana nenina farany. Gaga ny fianakaviana raha nilazan’ilay mpitsabo fa tsy ampy voa iray intsony ilay marary. Tsy zakan’ity farany intsony ny aretina ary tsy tana ny ainy avy eo. Nitory ilay dokotera sy ilay fikambanana ny fianakavian’ny maty. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre