Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Mahajanga – Nisy nanafika ny tranon’ny ben’ny tanàna

Nisy niditra an-tsokosoko ny trano fonenan’ny ben’ny tanàna voafidy ao Mahajanga, ny zoma alina lasa teo. Tsy fantatra ny isan’ireo olon-dratsy ary tamim-pilaminana tanteraka no nanaovan’izy ireo ny fanafihana. Nilaza tsy naheno ny figadonanan’ireo jiolahy ny lasibatra fa efa trano mivoha midanadana no hita ny maraina. Najifa tamin’izany ny solosaina azo entina mandeha miisa roa, finday iray, kitapo misy antontan-taratasy mahakasika ny ben’ny tanàna ary ny famataranandro atao amin’ny tanana iray.

Tsy toy ny fanafihana mahazatra ity nitranga tany Mahajanga ity ary ahiana ho misy ambadika politika izao halatra izao satria ny zavatra rehetra mahakasika ny ben’ny tanàna ihany no nalain’ireo olon-dratsy dia lasa izy ireo. Mbola tsy misy olona ahiahiana kosa nahavita izany amin’izao fotoana izao. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery akaiky ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika izany.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre