Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

67ha-Andavamamba – Sesilany ny loza ateraky ny môtô

Tsy an-kiato ny loza ateraky ny môtô mitrifana eto an-drenivohitra. Ny alakamisy alina teo, ohatra, dia kodiaran-droa iray nentina tovolahy 29 taona no nifatratra tamina fiara iray, teny amin’ny 67ha vokatry ny fandehanana mafy. Vaky ny lohan’ilay tovolahy nitondra môtô vokatr’izany ary tsy nisy noraisina ilay kodiaran-droa. Ilay mpamily fiara kosa nentin’ny mpitandro filaminana natao famotorana.

Loza iray hafa ihany koa niseho teny Andavamamba. Raim-pianakaviana efa 50 taona mahery no nazeran’ny môtô nentiny. Avy nisotro toaka io rangahy io, araka ny loharanom-baovao. Fantatra fa ny lalana digy sy Andavamamba iny no tena matetika hitrangana loza ateraky ny môtô, indrindra fa amin’ny alina. Mampitombo ny gaboraraka ary mampirongatra ny loza ny tsy fisian’ny marika famantarana eny amin’ny arabe natao ho an’ny mpandeha an-tongotra ka samy manao izay tiany ny rehetra. Ankoatra izay dia mpitondra ireny skotera ireny no tena tsy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana ka miteraka loza hatrany, ka tokony andraisan’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana fepetra.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre