Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Ankeniheny-Zahamena – Mpitrandraka 24 naiditra am-ponja vonjimaika

Noho ny fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana dia olona miisa 24 no naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny talata teo, ka  vehivavy ny iray. Miisa 56 izy ireo no niakatra fitsarana tamin’izany fa ny 24 notazamin’ny fitsarana. Efa nomen’ny Fanjakana fe-potoana ireo mpitrandraka ary navoaka tao anaty kariera fa mbola niverina ihany.

Efa fanintelony no nisy kariera vaky tany amin’iny tapany atsinanan’Ambatondrazaka iny. Tany Didy ny voalohany, ny taona 2012, faharoa tany Andilamena, ny taona 2014 ary izao any Ankosy izao indray. Samy ao anatin’ny faritra arovana Ankeniheny-Zahamena avokoa izy ireo, any amin’ny kaominana Miarinarivo, ary miteraka hatrany ny fanimbana ny ala sy ny zava-manan’aina. Voalaza fa ny vatosoa “rubis” no tena trandrahin’ireo mpandroba ny harena voajanahary ireo. Misy ireo mirotsaka an-tsehatra mivantana amin’ny fitrandrahana ary tsy vitsy ihany koa ireo manakarama olona amin’izany. Tonga any an-toerana ihany koa ny mpividy vatosoa am-polony, Tailandey, Sri-lankey, indrindra fa ny Afrikanina.

Hatreto anefa dia ireo mpangady ny volamena any ambanivohitra ihany ireo nogadraina ireo ka mampametra-panontaniana ireo olona any an-toerana ny momba ireo mpitrandraka lehibe sy mpividy ary mpanakarama.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre