Manjakandriana – Mirongatra ny vaky trano
Mahazo vahana ny vaky trano any Miadanandriana sy ny manodidina, any Manjakandriana. Manararaotra ny tsy maha eo ireo tompon-trano ny olon-dratsy ka miditra an-tsokosoko ao an-trano, ary amin’ny andro atoandro foana no isehoan’izany. Tokantrano iray izao no fantatra fa efa in-telo no nisy namaky. Raha ny fitantaran’ny tompon-trano, ny taona 2013 iny no nisy nangalatra voalohany tao aminy ka lasa tamin’izany ny akoho amam-borona rehetra izay nihidy tao am-pisoko. Ny faharoa, ny volana septambra 2015, ka nanjavona tao an-trano ny finday sy ny poketra fitoeram-bola miisa 2 sy ny vola ary zavatra madinidinika. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’ny halatra fahatelo, raha nandeha nandevina ny tompon-trano ka najifa ny “lecteur sy ny commande”, “subwoofer”, “radio” ary fahitalavitra. Misy alika miambina ihany ny tanàna, araka ny filazan’ny lasibatra fa tsy mahatohatra ireo olon-dratsy hanao ny asa ratsiny.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







