Betroka – Vehivavy mpandraharaha nokapain’ny jiolahy famaky
Ramatoa mpandraharaha iray no nidiran’ny jiolahy an-keriny tao an-tokantranony, ny alarobia alina, tamin’ny 8 ora tany ho any, tao amin’ny fokontany Fiadanana, ao an-tampon-tanànan’i Betroka. Miisa 4 ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy famaky nanapitsoka ny varavarany. Ilay vehivavy sy ny reniny irery no tao an-trano ka norahonan’ireo olon-dratsy tamin’ny basy avy hatrany, raha vantany vao tafiditra izy ireo. « Aiza ny vola ? Omeo aty daholo ny vola rehetra any ? » hoy ireo mpanafika tamin’ireo lasibatra.
Nilaza tsy nanam-bola anefa ireo lasibatra ary rehefa nosavaina ny poketrany dia Ar 40 000 ihany no tao ka nahatezitra mafy ireo mpanafika. Nokapain’izy ireo tamin’ny famaky izy mianaka taorian’izay rehefa tsy nahazo izay notadiaviny izy ireo. Nobatain’ireto jiolahy ny vata-kely tao an-trano rehefa lasa izy ireo. Mbola tsy fantatra kosa ny ao anatin’izany. Nentina tany amin’ny hopitaly any an-toerana ihany koa ireo naratra ary ahiana mafy ny toe-pahasalaman’izy mianaka. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







