Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Ambohitrimanjaka – Adala matin’ny fitsaraham-bahoaka

Tovolahy iray 23 taona tsy salama saina no namoy ny ainy, ny alakamisy lasa teo, teny Ambohitrimanjaka, rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Niditra tao an-tranon’olona tao an-tanàna izy io, araka ny vaovao voaray, ka noheverin’ny tompon-trano fa mpangalatra. Izy rahateo tsy nahita navaly rehefa nohadihadiana tamin’ny antony nidirany an-tranon’olona tao. Nodarohan’ny tompon-trano ho faty izy noho izany. Teo ihany koa ny manodidina izay nanampy nanao fitsaraham-bahoaka.

Monina eny Androndrakely izy io araka ny fitantaran’ny reniny, izay nitady azy efa andro maromaro. « Efa efatra andro aho izao no nitady azy ary efa nanao ombay mitady teny amin’ny mpitandro filaminana fa tsy hita mihitsy izy. Ny olona niteny anay fa efa maty izy fa tsy hitanay kosa no nasian’izy ireo ny vatan-mangatsiakany », hoy ny reniny. Manahy noho izany ny fianakavian’ny maty sao nalevin’ireo olona any ho any ny fatin’ilay tovolahy ary tsy  hisy tohiny intsony izao raharaha izao.

Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre