Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Fandanindaniam-poana !

An-jatony tapitrisa maro ny vola nolanian’ny fitondram-panjakana, tao anatin’ny iray andro monja, nampivoriana ireo ben’ny tanàna rehetra teny Iavoloha. Tsy fantatra mazava izay tena tanjona tamin’izany fa somary nampimenomenona ny maro ihany satria iaraha- mahita fa sahirana ara-bola ny firenena amin’izao  fotoana izao. An-tapitrisa mantsy ny malagasy no tsy mihinan-kanina ary mety ho faly raha nividianana sakafo ireny vola natao fafin-katrana ho an’ny ben’ny tanàna ireny ka nozaraina ireo tena tsy mihinan-kanina mihitsy. Mbola nahatezitra ny vahoaka, ihany koa, ny nizarana tablety ho an’ireo ben’ny tanàna. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tsy mila izany tablety izany ireo mpitondra kaominina ireo. Voalohany dia olona manam-bola mahavidy ireny fitaovana ireny izy ireo satria matoa lany dia nanana vola be nokirakiraina tamin’ny fampielezan-kevitra. Faharoa kosa dia tsy ilaina firy amin’ny asa fampandrosoana ny tablety. Kilalao ho an’ny tanora no tena ampiasana ireny fa tsy natao ho an’ny olona mila mifandray mivantana amin’ny vahoaka eny ifotony. Ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ankehitriny mantsy dia miasa kokoa ho an’ny olona mifanalavitra na mifanakaiky ihany fa manana olana amin’ny fifandraisana. Raha ben’ny tanàna izany anefa dia ny mirotsaka an-tsehatra mihaona sy miara-miasa mivantana amin’ny vahoaka no tena asan’izy ireo.

Maro ny milaza fa manam-bola ihany ity fitondram-panjakana ity rehefa hanao fihetsiketsehana. Rehefa raharaha mahakasika mivantana ny vahoaka anefa dia milaza fa tsy misy vola ampiasaina hatrany ny mpitondra. Takatry ny maro avy hatrany fa ny fanomanana ny sain’ireo ben’ny tanàna amin’ny fifidianana loholona no tena anton’iny fihaonana teny Iavoloha iny. Manao ny fomba rehetra mihitsy ny fitondram-panjakana mba hahazoana ny maro an’isa mba tsy hilazana hoe ny 100% eny amin’ny Antenimieran-doholona. Raha ny tena izy anefa dia mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana io fomba fiasa io na dia ara-dalàna aza. Mipetraka tsara amin’ny Lalàmpanorenana malagasy ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka. Izany hoe tsy tokony ho mpiray petsapetsa amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Governemanta mihitsy ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona. Izao anefa dia ahodin’ny mpitondra ho mpiara-miasa sy mpanohana akaiky azy ireo ny parlemanta.

Ny solombavambahoaka efa voavidy ny ankamaroany ary efa hitan’ny mpitondra ny fifehezana azy ireo amin’ny alalan’ny fizarana vola sy tombontsoa maro samihafa. Ankehitriny anefa dia efa miditra tanteraka amin’ny tetik’ady hifehezana ireo ben’ny tanàna ihany koa ny fiadidiana ny Repoblika. Iny fihaonana teny Iavoloha iny no santatra am-bava rano fa ny manetsa be mbola ho avy. Nentina teto an-drenivohitra ny ben’ny tanàna dia naseho ny mena miraviravy mba ho mora ampilendalendaina any aoriana any ka hanaiky mora ny toromarika rehefa misy ilana azy ireo. Ny fifidianana loholona no iraka voalohany tena ilan’ny mpitondra ireo ben’ny tanàna. Tsy misy miseho ho be saina sy bevava noho ny depiote fa rehefa nomena tombontsoa dia nangina ihany. Raha ireo ben’ny tanàna mbola tsy ampy traikefa vao lany ireo izany dia tsy hanahirana ny mpitondra mihitsy ny hametsifetsy azy hifidy izay kandidam-panjakana ho Loholona. Ireto farany rahateo efa manana andraikitra manokana amin’ny fankatoavana an-jambany izay lalàna atolotry ny Governemanta.

Vola daholo no miasa amin’izany rehetra izany ary volam-bahoaka no ahodina hanambatambazana ireo rehetra manaiky ny hanohana ny tetikasan’ny mpitondra. Fandanindaniam-poana satria vola tokony nanaovana tetikasa ampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka no laniana zarazaraina sy hikarakarana hetsika hanambatambazana ireo mpifidy vaventy. Izany no fomba fiasa eto ka tsy mahagaga raha toa ka tsy mety mandroso mihitsy ny firenena. Lany amin’ny kolikoly an-kolaka ny vola tokony hanaovana tetikasa. Ny antontan-taratasy sy antontan-kevitra vita sonia no tena andanian’ny fitondram-panjakana vola eto fa tsy ny fanatanterahana izay efa nofaritana sy nampanantenaina.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre