Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Basy tsy misy bala – Nandamoka ny teti-dratsin’ireo jiolahy

Nandamoka ny fikasahan-dratsin’ireo jiolahy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy, tamin’ny misasak’alina tany ho any, raha saika hanafika magazay fitahirizana lavanila. Tao amin’ny fokontany Ankoalabe, any amin’ny distrikan’Antalaha no nisehoan’izany. Lehilahy miisa 3, nirongo basy sy antsy lava ary vy maranitra no nigadona tao an-toerana ka nandrahona avy hatrany ny mpiambina tanàna. Tsy nanaiky lembenana anefa ity farany ka nifanandrina tamin’ireo olon-dratsy. Nikasa hitifitra azy ny iray tamin’ireo mpanafika, hay basy tsy misy bala akory ity nentina nampitahorana azy ity.

Rehefa tsy nandaitra ny fampihorohoroana dia notsindromin’ireo jiolahy ny vy maranitra ilay mpiambina ary voa teo amin’ny feny ka naratra mafy. Niantso vonjy izy avy eo ka nandositra ireo olon-dratsy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy ary tsy nisy ihany koa ny entana very. Nidina teny an-toerana ny polisim-pirenena nijery ifotony ny zava-misy ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Ilay naratra kosa efa manaraka fitsaboana ary tsy misy atahorana ny aminy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre