Faran’ny herinandro nolalaovin’ny afo – Vavy antitra iray maty, fokontany maro nirehitra
Nandravarava ny afo tamin’iny farany herinandro iny teto an-drenivohitra. Fokontany maro no nolalaovin’ny afo, ary nahafatesana olona iray. Vavy antitra mipetraka irery no namoy ny ainy, tamin’ny zoma alina, teny Ankaditapaka, rehefa tsy tafavoaka tao an-tranony. Tsy fantatra ny nahatonga ny afo nefa niezaka nanavotra azy sy ny namono ny afo kosa ny manodidina vao nahita ny fijoalajoalan’izany fa tsy avotra izy. Ny feo re teny an-toerana no nilaza fa afon-dabozia izay adino ny namono azy no nahatonga ny loza. Izany hoe mety avy amin’ny delestazy no tena nahatoga izao fatiolona izao.
Trano efatra ihany koa no hotohoton’ny afo, teny Anosibe-Namontana, ny alin’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Trano hazo ny telo tamin’ireo ary biriky ny iray. Araka ny vaovao voaray dia niainga avy tao amin’ny tranon’ny mpandrafitra iray teny an-toerana ny afo fa tsy fantatra kosa ny nahatonga izany. Noho ny fitsokan’ny rivotra mafy be dia nahazo ny trano telo hafa mifanolo-bodirindrina ny afo. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina nanao ny asany.
Omaly atoandro kosa indray, trano hazo maromaro no kila forehitra, teny Andohatapenaka. Raim-pianakaviana iray no main’ny afo tamin’izany. Niezaka nifanome tanana namono ny afo ihany ny mponina teny an-toerana fa tsy voafehy izany raha tsy tonga ireo tao amin’ny sampana mpamonjy voina. Levona tsy nisy noraisina ireo trano may ary ny tsy fahatomombanan’ny firafitry ny trano eny an-toerana no tena antony nahatonga izany, araka ny loharanom-baovao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







