Mamon-drongony – Lehilahy iray nitsoraka avy eny ambony tetezana
Hafakely ! Lehilahy iray sahabo ho 30 taona, voalaza ho mamon-drongony, no namono tena, ny sabotsy maraina, tamin’ny 8 ora, teny amin’ny renirano Ambinany, ao Antalaha. Nitsoraka avy eny ambony tetezana eo amin’ny 30 metatra izy ary nilatsaka tao anaty rano. Ireo olona monina manodidina ny tetezana sy ireo sendra nandalo no niezaka namonjy azy fa hatramin’izao nanoratana ity lahatsoratra ity dia mbola tsy hita popoka ralehilahy. Efa kely ihany koa ny fanantenan’ireo olona ny mbola mety hahitana velona azy io saingy mbola mitohy ny fikarohana.
Araka ny loharanom-baovao, isaky ny mamon-drongony ity lehilahy ity dia misetrasetra sy migafy eo an-tanàna. Tsy tantin’ny mpiara-monina aminy intsony ny fihetsiny ka niteny azy ny manodidina. Niakatra afo ka lasa nitsoraka tao anaty rano mba hanehoany ny hatezerany.
Iray hafa nidaroka olona
Mbola mamon-drongony hatrany. Mpamily fiarakaresataka iray no nidaroka mpandalo teny amin’ny fiantsonan’ny fiara teny Ampasampito, ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny fitantaran’ny lasibatra, izay nanatitra mpandeha teny an-toerana handray taksi. Tsy nandeha tamin’ ilay mpamily voalaza etsy ambony ilay olona fa natolony mpamily iray hafa ka tsy nankasitrahany. « Tsy vitan’ny nanompa reny fa mbola nodarohany aho. Efa nandositra aho fa mbola narahany hatreny amin’ny fiantsonan’ny taksibe sady mbola nodarohany hatrany. Mandray zava-mahadomelina io mpamily io ka mety mamon’izany izy tamin’io fotoana io », hoy hatrany ilay lasibatra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







