Voalohany amin’ny ratsy !
Efa mila hitovy amin’i Etazonia i Madagasikara raha ny tahan’ny sivily maty voatifitry ny basy noho ny hetraketraka sy ny tsy fandriampahalemana no jerena. Misy ihany ny olona maty voatifitra any amin’ny tany hafa saingy ny any dia ady sy asa fampihorohoroana no mahatonga izany. Any Etazonia indray dia resaka tsy fahafehezan-tena no tena fototry ny tifitra. Any rahateo malalaka ny fividianana basy ka samy manao izay danin’ny kibony ny tsirairay ka lasa fitaovam-piadiana entina misetrasetra fa tsy ho fiarovan-tena intsony ny poleta. Eto Madagasikara kosa dia mahagaga fa marobe tsy tambo isaina ny olona manana basy ary mitondra izany mandehandeha nefa tena tsy eken’ny lalàna izany. Raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny mpitandro filaminana mantsy dia tsy azon’ny siviliy atao ary tsy misy fanomezan-dalana hitondra basy eto Madagasikara. Ny mitazona basim-borona any an-trano no azon’ny sivily atao, saingy mila mahafeno fepetra maro vao mahazo fahazoan-dalana mikasika izany. Tsy mahazo mitazona basy karazany hafa, fampiasan’ny mpitandro filaminana ihany koa na dia poleta aza ny olona sivily.
Iaraha-mandre amin’ny fampahalalam-baovao isan’andro anefa fa marobe ny sivily mitondra basy eny an-dalana ary tsy mba basim-borona akory fa tena amin’ilay mahery vaika. Fanontaniana maro no mipetraka ary voalohany amin’izany ny hoe: ahoana no hahatongavan’ireny fitovam-piadiana ireny eny an-tanan’ny olon-tsotra? Efa namaly ny mpitandro filaminana fa misy mpanao trafika-na basy eto, izany hoe manafatra avy any ivelany, ary mivarotra izany eto amintsika. Tsy ara-dalàna ary voasokajy ho anisan’ny heloka bevava iraisam-pirenena mihitsy anefa ny trafika-na fitaovam-piadiana toy izany. Miroborobo fatratra izy eto amintsika satria mila basy avokoa ny ankamaroan’ny olona. Ankoatra ireo olon-dratsy dia tena mila manana basy ny vahoaka tsotra noho ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy mahavita miaro ny olona sy ny fananany ny mpitandro filaminana ka tsy maintsy maka fepetra hiarovany ny tenany ny tsirairay. Tsy afaka hiady miaraka amin’ny tanam-polo, manoloana ny jiolahy izay izay mirongo fitaovam-piadiana, anefa fa tsy maintsy mba manana ny fiadiana ahafahana miaro tena ihany koa. Basy mahery vaika no ampiasain’ny jiolahy ka miezaka ny hanana izany ihany koa ny tokantrano matahotra iharan’ny fanafihana. Io antony io no mahatonga ny basy hiparitaka eto amintsika. Mila fifehezan-tena sy fahafantarana ny lalàna anefa ny fitazonana ireny fitaovana mampidi-doza ireny.
Sarotra ho an’ny sivily tsy nahazo fiofanana amin’ny resaka ady mihitsy ny hifehy tena amin’ny fitazomana basy. Na ireo mpitandro filaminana aza dia maro no efa nanaonao foana amin’ny fampiasana tsy am-piheverana ny basy eny am-pelatanany ka mitarika fahafatesana ho an’ny sivily tsy manan-tsiny. Miparitaka ny basy ary tena sahirana ny Fanjakana amin’ny fikarohana ireny rehetra ireny. Sarotra rahateo ny hanao sava hao ny tokantrano tsirairay sao misy basy miafinafina any ambany fandriana any.
Vokatr’ireo rehetra ireo dia tsy voafehy ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika ka izany no manamafy ny tsy fandriampahalemana. Voalohany amin’ny ratsy i Madagasikara satria raha asa fampandrosoana no ihazakazahan’ny firenen-kafa, ny antsika kosa tsy fandriampahalemana, kolikoly ary ireo trafika sy heloka bevava miampy areti-mifindra mandripaka no tena misongadina eto.
Tsy inona no mahatonga izany fa ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra ka lasa mirona any amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny rehetra. Be loatra ny tsy ara-dalàna mitranga amin’ny fitantanana eny amin’ny ambaratongam-pitantanana ny raharaham-panjakana rehetra ka tsy asian’ny vahoaka hasiny intsony ny fanajana sy ny fankatoavana ny tenin’ny mpitondra. Lasa fomban’ny samy miaro ny rambony tsy ho tapaka, sy ny raha maty aho matesa rahavana sisa no mitranga eto amintsika. Voalohany amin’ny ratsy.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







