Vous êtes ici :

Jeudi 05 Février 2026

ombre

Ambodimita – Mpandeha an-tongotra efatra nodomina taksibe

Tsy mitsahatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fiara taksibe, indrindra ireny marika Mercedes Sprinter. Mpandeha an-tongotra miisa 4 no nofaohin’ny Sprinter iray zotra mampitohy ny Mausolée sy Andranomena, ny alahady tolakandro teo, teny Ambodimita. Lehilahy ny roa tamin’ireo niharam-boina izay samy tapaka ranjo avokoa ary renim-pianakaviana nitrotro zaza ny fahatelo. Ity farany izay voa teo amin’ny lohany. Ny fahefatra dia ilay zazakely notrotron’ilay ramatoa izay tsy nahitana ratra teny aminy.

Nandeha mafy ilay taksibe sady nisongona fiara hafa teo alohany rehefa nidim-pidinana, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso.Tsy voafehin’ny mpamily tampoka anefa ny familiana ka  nibirioka tany amin’ny tsy tokony nalehany.

Raha tsiahivina, taona vitsy lasa izay dia nisy Sprinter hafa, amin’io zotra io ihany, efa nahafaty mpandeha an-tongotra sy mpivarotra amoron-dalana, mbola teny Ambodimita hatrany. Fandehanana mafy sy fisongonana fiara hatrany no nahatonga ny loza tamin’izany fotoana izany. Mahakasika ity zotra ity hatrany dia maro ireo olona mahatsikaritra fa lava loatra ny lalany izay mety ho anisan’ny manosika ireo mpamily handeha mafy, raha tsy hilaza fotsiny, ny havizanana sy ny tsy fifehezana ity karazana fiara ity.

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre