Vous êtes ici :

Jeudi 05 Février 2026

ombre

Ihosy – Srilankey maty nokendain’ny jiolahy

Efa-dahy niaraka tamin’ny kalaky mahery vaika no niditra an-keriny tao amin’ny tokantranona teratany srilankey iray, tao Mangaloka, any amin’ny distrikan’Ihosy ny zoma alina, tamin’ny 9 ora mahery tany ho any. Nodarohan’izy ireo tamin’ny alalan’ny vodi-basy ny mpanampy tao an-trano, vantany vao tafiditra tao izy ireo, sady nanontany ny tompon-trano. “Aiza ny lehibenao? Atoroy anay ny toerana misy azy?” hoy ireo jiolahy. Tahotra ny ho faty dia nanoro ny misy ilay Srilankey ilay mpanampy. Nokendain’izy ireo avy hatrany ilay lasibatra avy eo. Naratra mafy dia nentina nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly. Minitra vitsy nahatongavana teny anefa dia namoy ny ainy ilay teratany vahiny na dia efa nanao izay ho afany tamin’ny fialana nenina aza ireo mpitsabo.

Lasan’ireo jiolahy kosa ny vato sarobidy niaraka tamina vola sy finday ary pasipaoro, araka ny vaovao voaray. Vao naray antso dia nidina teny an-toerana nisehoan’ny fanafihana ny mpitandro filaminana any an-toerana nijery ifotony ny zava-misy. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre