Vous êtes ici :

Jeudi 05 Février 2026

ombre

Toamasina – Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Jiolahy roa no lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir Toamasina, ny alahady 18 oktobra, tamin’ny 5 ora hariva. Nahazo vaovao avy tamin’ny olon-tsotra ny polisy nilaza fa misy lehilahy roa mitondra basy, eny Salazamay. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo nijery ny zava-misy marina. Vao nahatazana ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy dia nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjahana teo amin’ny roa tonta, ary voatery tsy maintsy namaly ihany koa ny avy aty amin’ny polisy. Naharitra ora maromaro ny fifandonana teo amin’izy ireo, araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena.

Voan’ny balan’ny polisin’ny Uir anefa dia maty tsy tra-drano ireo roalahy ireo. Nalain’iry voalohany avy eo ny basy nampiasain’ireto jiolahy, izay marika Unique. Mbola nahitana antsy ihany koa tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana azy roalahy ireo. Ireo fitaovana ireo moa dia nentin’izy ireto nampitahorana ny lasibatra izay sendra azy.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre